Tontolon’ny koperativa
Mitohy ary mihamafy hatrany ny fiaraha-miasa akaiky misy eo amin’ny #MICA sy ny #NCBA_CLUSA mikasika ny fanatsarana ny tontolon’ny koperativa eto Madagasikara. Efa misy tetikasa natomboky ny NCBA CLUSA ny taona 2018 mikendry ny fanatsarana ireo lalàna mifehy ny koperativa. Misy araka izany ny fiofanana karakarain’ny NCBA CLUSA ho an’ireo izay misehatra amin’ny fitantanana ny koperativa manomboka ny 19 ka hatramin’ny 21 Janoary 2021. Mandritra ireo efatra andro misesy ireo ny mpandray anjara izay ahitana ny avy eto amin’ny MICA toy ny ekipan’ny Foibem-pitondrana Ankapopeny misahana ny Indostria (DGI), ny foibem-pitondrana misahana ny fampiroboroboana ny fandraharahana (#DPE), ny foibem-pitondran-draharaha mikasika ny lalàna (DAJ) ary ny foibem-pitondranan’ny Indostria, ny Varotra ary ny Asa tanana eto amin’ny faritra Analamanga (DRICA Analamanga) dia hahazo fanampim-pahalalana momban’ny famaritana bebe kokoa ny atao hoe koperativa ; ny lalàna mifehy ny koperativa eto Madagasikara ; ny koperativa manoloana ny fampandrosoana ara-toekarena ary ny andraikitry ny fanjakana ho fampandrosoana ny koperativa.