Trophee du jeune entrepreneur: manohana hatrany sy mankasitraka ny ezaka fanohanana sy fanandratana ireo mpandraharaha malagasy ny MICC

Nibata ny amboara tamin’ny sokajim-pifaninanana TJE START UP i Rarivo Ravoatra avy amin’ny orinasa « Honey of Madagascar », misehatra amin’ny fanangonana, fanodinana ary fanondranana Tantely. Andriambololona Ranto kosa no nahazo izany teo amin’ny TJE CROISSANCE+. Izy indray dia avy amin’ny orinasa « HaiRun Technology » izay misehatra amin’ny fanaovan-draharaha nomerika.

Notanterahina nandritra ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny Foire Internationale de Madagascar (FIM) andiany faha-17 ny Alakamisy 11 Mey 2023 teo teny amin’ny Forello Tanjombato ny fanolorana ny amboara ho an’ireo mendrika indrindra tamin’ny fifaninanana Trophée du Jeune Entrepreneur (TJE) taona 2022 karakarain’ny banky BNI Madagascar.

Niara-niasa tamin’ny BNI Madagascar sy ny fifaninanana TJE anatin’izay fisafidianana izay ho mpandraharaha mendrika indrindra ny MICC nandritra ny andiany maro nifanesy. Nisolo tena ny Minisitera teny Tanjombato ny Tale misahana ny Fampiroboroboana ny fandraharaha (DPE) Irène Andriamaneho izay nanamafy fa ny Ministera dia manohana hatrany sy mankasitraka ny ezaka fanohanana sy fanandratana ireo mpandraharaha Malagasy toy izao.

Sary DPE

Vous aimerez aussi...