Tsena iombonana ho an’i afrika atsinanana sy atsimo(COMESA): Iadian-kevitra any Nairobi/Kenya ny momba ny fiarovana ny mpanjifa

Misolo tena an’i Madagasikara any amin’ny fivoriana faha-4 ho an’ny Komitin’ny fiarovana ny mpanjifa any Nairobi/Kenya ny DPC (Foibem-pitondrana misahana ny fiarovana ny mpanjifa) eto amin’ny MICC. Mandray anjara amin’izao fihaonana mandritra ny roa andro ka hifarana anio izao ireo tany rehetra mpikambana ao amin’ny COMESA.
Ny andrasantsika amin’izao fivoriana izao dia ny fahafahana manamafy ny fampifanarahana ny hetsika ataon’ireo rafitra samihafa miaro ny mpanjifa ho fitsinjovana ireo mpanjifa ireo. « Fotoana ihany koa io ahafahantsika maka ny traikefan’ireo tany mpikambana hafa, amin’izay fiarovana ny mpanjifa izay, indrindra taorian’ny Covid-19 sy ny krizy ara-angovo », hoy ny Tale (DPC) Haingo Andriamadison.
Iray amin’ireo firenena 10 hitondra famelabelarana sy hiady hevitra an-databatra boribory mikasika ireo lafin-javatra manokana mifandray amin’ny fiarovana ny mpanjifa ny malagasy amin’ny alalan’ny DPC.
Sary DPC

Vous aimerez aussi...