Tsenabe mahatoky Ankadinondry-sakay: nentanina hamokatra hatrany ny akora fototra ilain’ny Taninketsa Indostrialy ny tantsaha

Nisolo tena ny Minisitera mpiahy sy ny Minisitra Edgard Razafindravahy tamin’ny Tsenabe “Mahatoky” tao Ankadinondry-Sakay ny Sabotsy 20 Mey 2023 ny Talem-paritra (DRICC) ao Bongolava, Liva Raherison Andrianantenaina. Tamin’izany no nampahafantarany ny rehetra fa efa tonga ao Ankadinondry-Sakay ny milina avy amin’ny fitondram-panjakana ho fanatanterahana ny Veliranon’ny Filoham-pirenena momba ny Fampiroboroboana ny indostria eto Madagasikara (#Velirano 7) sy ny Fahavitan-tena ara-tsakafo (#Velirano 9). Tsy adinony, araka izany, ny nanentana ny maro ny amin’ny tokony hamokarana hatrany ny akora fototra ilain’ny TANINKETSA INDOSTRIALY, toy ny voanjo sy ny fary.

Mbola noentaniny ihany koa ny tantsaha hazoto hivondrona anaty kaoperativa mba ahafahana manosika azy bebe kokoa amin’ny fandraharahana toa izay efa iarahan’ny DRICC Bongolava sy ny Tetik’asa samihafa eo an-toerana toy ny PAPRIZ izay azo tsapain-tanana tokoa ny vokatra azo.

Sary DRICC

Vous aimerez aussi...