Tsenan-Davanila

Niditra an-tsehatra koa ny orinasa Floribis
Lavanila milanja 5 taonina no novidian’ny orinasa Floribis tao amin’ny tsenan-davanila maitso ao Ambodiampagna Distrika Sambava omaly Zoma 15 Jolay 2022. Tamin’ny vidiny 75000Ar no nandraisany ny vokatry ny tantsaha mpamboly. Ho an’ny Faritra SAVA moa dia efa niparitaka any amin’ny tsena samihafa ireo mpanangom-bokatra avy amin’ny orinasa samihafa toy ny Sahanala, Autentic Products, Sambavanille hatramin’ny fisokafan’ny taom-piotazana ny 7 Jolay 2022.

Vous aimerez aussi...