Tsinjo : Hamatsy ireo mpivarotra madinika ny MICA

Hitondrana vahaolana mivaingana sy azon’ny mpanjifa tsapain-tanana dia nirotsaka an-tsehatra ny Minisiteran’ny Indostria, ny Varotra sy ny Asatanana (MICA) hitatitra vary eny amin’ireo mpaninjara madinika. Hetsika lehibe ity natomboka androany ity satria ny Minisitry ny MICA no nitarika izany famatsiana ny tsena madinika izany.
Haharitra andro maromaro izao firotsahan’ny MICA mivantana eny amin’ny mpaninjara izao ka ny androany nanombohana azy dia toerana tsy latsaky ny 5 eto Antananarivo sy ny manodidina no voavatsy. Isan’izany Ankadimbahoaka, Tanjombato, Andoharanofotsy, Bemasoandro Itaosy, Analamahitsy, Ankadikely Ilafy, sy ny hafa. Fiaraha-miasa amin’ny zandarimariam-pirenena sy ny mpamongady ny hetsika, izay manome tanana feno ka ampiasana fiara lehibe 8 hitaterana ireo entana.
Rehefa avy nijery ny mety ho olana eo amin’ny fanjifana ny ekipan’ny MICA, nanao ireo fanentanana isan-karazany nandritry ny fotoana maharitra, nametraka ireo fepetra sy lalàna tsy maintsy arahin’ny mpivarotra, dia izao mandray an-tanana ny famatsiana entana eny amin’ny mpaninjara izao. Eo ambanin’ny fitarihan-dRamatoa Minisitra, Lantosoa Rakotomalala, izany ary tafiditra ao anatin’ilay hetsika lehibe napetraky ny MICA antsoina hoe “Tsinjo” hahatratrarana ny tanjona napetraka dia ny hiarovana ny mpanjifa amin’ny endriny maro, ka tsy ho tapaka ny fisian’ny entana mandritra izao fotoana sarotra izao

Vous aimerez aussi...