Tsinjo: Talatamaty, Ambohibao, Ambohidratrimo

Teny amin’ny faritra Talatamaty sy Ambohibao ary Ambohidratrimo indray no nidina ny mpanara-mason’ny MICA nijery teny an-toerana ny vidin’ny entana sy ny fanarahana ny lalàna mifehy ny varotra. Amin’izao fotoana izao dia efa tsy ahitana fiovana intsony ny vidin’ny vary ary efa manaja ny lalàna rehetra ireo mpaninjara.
Tsara marihina fa efa miakatra ny vary vokatra eto an-toerana amin’izao fotoana izao.

Vous aimerez aussi...