Tsy misy tokony hatahorana ny tahirin’ny Vary amin’izao vaninandro firotsahan’ny orana izao

Ampy ny vary sy ny tahirin’ny entana ilaina andavanandro. Tsikaritra izany nandritra ny fitsirihana nataon’ny Foibem-pitondrana misahana ny Varotra Anatiny (DCI) avy ato amin’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra ary ny Fanjifana, teny amin’ny tsenan’Anosibe sy Andravoahangy.
Ho an’ny vary manokana, tsy mitsahatra ny fahatongavan’ny Vary Tsinjo manampy ireo vary vokatra eto an-toerana azo hisafidianan’ny mpanjifa eny an-tsena manerana ny Nosy. Manamafy ny fitsirihana eny an-tsena avokoa ireo DRICC manerana ny Nosy hiadiana amin’ny fanararaotana ara-barotra noho ny firotsahan’ny orana.
Tsy tokony hisy ary tsy ekena ny fisian’ny fanararaotana hamotehana ny mpanjifa. Manara-maso tsy tapaka ny lalan’ny fizaran’ny vary hatrany isan’andro ireo tompon’andraikitra avy eto amin’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra ary ny Fanjifana.

Vous aimerez aussi...