Vaovao avy any Mahajanga: sarona ny mpanelanelana mpanararaotra ka mampiakatra ny vidin’ny siramamy Namakia
Vokatry ny asa fanaraha-maso dia tratra ny mpanelanelana amin’ny fivarotana siramamy Namakia. Ny fisian’izy ireo no anisan’ny mampiakatra ny vidin’entana ao Mahajanga ka nahatonga ny vidin’ny siramamy Namakia ho 3800Ar hatramin’ny 4000Ar ny kilao eny amin’ny mpaninjara.
Rehefa natao ny fanadihadiana dia fantatra fa manao Epi-Bar no tena asan’io olona io. Tsy maintsy niroso tamin’ny fisavana ny fitahirizana ny ekipan’ny DRICC ka mbola nahatratrarana siramamy Namakia 65 gony tao aminy izay novidiany teny amin’ny mpamongady iray eto Mahajanga. Nogiazana ireo siramamy ireo mandrapahavitan’ny fanadihadiana.