Vaovao momba ny fifidianana izay ho mpikambana maharitra eny anivon’ny Antenimieran’ny Varotra sy Indostria (CCI)

👉ANALANJIROFO: Miisa 21 ireo olona ho fidiana ho mpikambana maharitra ao amin’ny CCI Fenoarivo Atsinanana ka ny 11 avy amin’ny sehatry ny varotra, 03 avy amin’ny indostria ary
07 ny servisy. Nahatontosa ny fitetezana ireo distrika 6 mandrafitra ny faritra dia i Maroantsetra, Mananara Avaratra, Sainte Marie, Soanierana Ivongo, Vavatenina ary Fenoarivo Atsinanana koa ny Komity manokana mpikarakara ny fifidianana. Tamin’izany no nanentanana ireo mpandraharaha mba havitrika amin’ny fifidianana.
👉MELAKY: Mpifidy 70 no nahafeno tanteraka ny fepetra ho an’ny CCI Maintirano. Lisitra tokana kosa no misy ny kandidà satria vondrona iray ihany no nandrotsaka olona ho fidiana. 21 no isan’ny mpikambana maharitra ho fidina ka ny 11 avy amin’ny mpisehatra amin’ny varotra, ny 06 servisy ary 05 avy amin’ny indostria. Amin’ny 19 Oktobra 2022 izao no hanatanterahana ny fifidianana.
👉IHOROMBE: Tapaka nandritra ny fivoriana natao ny Zoma 07 Oktobra 2022 fa 20 ireo mpikambana maharitra vaovao hofidina hitantanana ny CCI Ihorombe izay mitsinjara toy izao: Ny avy amin’ny kolejin’ny varotra 12, servisy 06 raha 02 kosa ny avy amin’ny kolejin’ny indostria. Ny Zoma 9 Desambra 2022 no vaninandron’ny fifidianana.
SARY DRICC

Vous aimerez aussi...