Vaovao momba ny fifidianana izay ho mpikambana maharitra eny anivon’ny Antenimieran’ny Varotra sy Indostria (CCI)

👉MELAKY: Tontosa ny Alarobia 19 Oktobra 2022 lasa teo ny fifidianana ho an’ny CCI Mainitirano. Vondrona tokana dia ny FIMPAFAM no nanolotra kandidà. Lasany avokoa araka izany no toeran’ireo mpikambana maharitra 21.
👉AMORON’I MANIA: Mahatratra 25 kosa ireo mpikambana maharitra ho fidiana ka 10 avy amin’ny kolejin’ny varotra, 10 kolejin’ny servisy ary 5 avy amin’ny indostria. Vondrona 7 no nandrotsaka lisitra ho fidiana. Efa nivoaka ny petadrindrina misy ny lisitry ny mpifidy izay miisa 315.
👉ATSIMO ATSINANANA: Atontan-taratasim-pirotsahan-ko fidiana iray no voaray teo anivon’ny Komity manokana mpikarakara ny fifidianana. Nekena moa izany satria nahafeno fepetra. Tokana araka izany ny lisitra kandidà amin’ny fifidianana ny 15 Novambra 2022 dia ny avy amin’ny Fikambanana A.O.Z.A (Fikambanan’ireo Mpandraharaha Zanaray Agnambahy). Ny Talata lasa teo no namoahana ny lisitr’ireo mpifidy.
Sary DRICC

Vous aimerez aussi...