Vaovao momba ny fifidianana izay ho mpikambana maharitra eny anivon’ny Antenimieran’ny Varotra sy Indostria (CCI)

👉MENABE: Rahampitso Sabotsy 12 Novambra 2022 no hanatanteraka ny fifidianana ny any amin’ny faritra Menabe. Efa mipetrapetraka avokoa ny fanomanana ireo birao fandatsaham-bato manerana ny distrika 5. Mitohy hatrany ny fandaminana ny mba hahatomombana ny fifidianana.
👉ALAOTRA MANGORO: Natao peta-drindrina ny 08 Novambra 2022 ny lisitra raikitry ny mpifidy ho an’ny CCI Alaotra Mangoro. Miisa 370 ireo nahafeno ny fepetra izay mitsinjara toy izao : Ny kolejin’ny varotra dia misy mpifidy 178, ny servisy ahitana mpifidy 162 ary 30 kosa ny ao amin’ny kolejin’ny indostria. Ny 03 Desambra 2022 no andro voatondro hanatanterahana ny fifidianana.
👉FITOVINANY: Nifarana ny 31 Oktobra 2022 ny fandraisana ireo antontan-taratasy mikasika ny mpifidy ary ny 02 Novambra 2022 kosa ho an’ireo kandidà. 277 ny taratasy voaray ho an’ny mpifidy ka ny 206 no nahafeno ny fepetra takiana. Vondrona 4 kosa no nanolotra lisitra ho fidiana.
Sary DRICC

Vous aimerez aussi...