Vaovao momba ny fifidianana izay ho mpikambana maharitra eny anivon’ny Antenimieran’ny Varotra sy Indostria (CCI)

👉MENABE: Tamin’ny taha-pandraisan’anjara 64,76% no nifidianan’ireo mpandraharaha ny ho mpikambana maharitra ao amin’ny CCI Morondava tamin’ny Asabotsy 12 Novambra 2022 lasa teo. Tamin’ireo biraom-pifidianana dimy manerana ny faritra dia navitrika indrindra ny tany Belo/Tsiribihina satria tafakatra 82,60%-n’ny mpifidy no tonga. 35,71% monja kosa ny tao Miandrivazo. Efa natao peta-drindrina ny valin’izany fifidianana izany.
👉ALAOTRA MANGORO: Vondron’ny mpandraharaha miisa telo dia ny FIVMPAMA, GEPTOA, GROPECAM no hifaninana amin’ny fifidianana any amin’ny CCI faritra Alaotra Mangoro. Samy nanolotra lisitra amin’ireo sehatra telo dia ny Varotra, Indostria ary Servisy avokoa izy ireo. Natao peta-drindrina ny 11 Novambra 2022 ny lisitr’ireo kandida. Ny 03 Desambra 2022 izao no andro voatondro hanatanterahana ny latsa-bato.
Sary DRICC

Vous aimerez aussi...