
SAVA: Omaly Alarobia 23 Novambra 2022 no nifidy ireo mpikambana maharitra 21 ao amin’ny CCI ny any amin’ny Faritra SAVA. Nahatratra 81,77% ny taha-pahavitrihana tamin’ireo birao fandatsaham-bato telo dia ny tao Sambava, Antalaha ary Andapa. Ny 193 tamin’ireo mpandraharaha 236 voasoratra anarana no tonga nifidy. Nangarahara tanteraka ny fanisam-bato izay natrehan’ireo kandida sy mpanao gazety.

SOFIA: Ambany kosa ny taha-pahavitrihana ho an’ny tany amin’ny Faritra Sofia. Ny 17,57% -n’ireo mpifidy voasoratra anatin’ny lisi-pifidianana monja mantsy no tonga nandatsa-bato. Notanterahana ny Asabotsy 19 Novambra 2022 teo ny fifidianana.

ANDROY: Raha ny 19 Desambra 2022 no hanatanterahana ny fifidianana any amin’ny Faritra Androy dia efa anatin’ny fanomanana an’izany tanteraka ny mpikarakara. Aparitaka manerana ny distrika efatra ny lisi-pifidianana vonjimaika ka ny Komity manokana mpikarakara ny fifidianana no mandray an-tanana an’izany. Efa nisokatra koa ny fandraisana ny antontan-taratasin’ireo hirotsaka ho fidiana.