Vaovao momba ny fifidianana izay ho mpikambana maharitra eny anivon’ny Antenimieran’ny Varotra sy Indostria (CCI)

👉FITOVINANY: Nahavita fifidianana koa ny any amin’ny CCI Faritra Fitovinany. Omaly Talata 29 Novambra 2022 no nandatsa-bato tany amin’ireo biraom-pifidianana roa ao Manakara sy Vohipeno ireo mpandraharaha nahafeno fepetra ka voasoratra ao anaty lisitra. Vondrona 5 no nifaninana dia ny Fitovinany Androso, FIMPIBAMA, Vonona, AE7V, GPME. Toy ny any amin’ny faritra hafa dia mitsinjara amin’ny sokajin’ny kolejy Varotra, kolejy Indostria ary kolejy Servisy ireo mpifidy sy lisitra kandidà.
👉BETSIBOKA: Nifarana ny Sabotsy 26 Novambra 2022 ny fandraisana ny atontan-taratasin’ireo mpirotsaka ho fidiana araka ny tetiandro nasiam-panovana. Vondrona iray ihany no nametraka ny filatsahany teo anivon’ny Komity mpikarakara dia ny FIMPABE (Fikambanan’ny mpandraharaha ao Betsiboka). 20 ireo mpikambana maharitra ho fidiana raha 40 kosa ireo mpifidy nahafeno fepetra.
👉BONGOLAVA: Miara-miasa amin’ny Radio Oasis ao Tsiroanomandidy ny DRICC Bongolava amin’ny fanazavana amin’ny mponina ny izay tokony ho fantany momba ny asa aman-draharaha sahaniny. Namelabelarana ny fomba fiasa amin’ny fikarakarana ny fifidianana sy lafin-javatra hafa koa ny fandaharana isa-kerinandro “Vahoaka liam-pandrosoana” araka izany.

Vous aimerez aussi...