Vaovao momba ny fifidianana izay ho mpikambana maharitra eny anivon’ny Antenimieran’ny Varotra sy Indostria (CCI)

👉ATSINANANA: Foulpointe ny 20 Aogositra 2022, Brickaville sy Vatomandry ny 24 Aogositra, Mahanoro ny ampitson’io. Nitety toerana maro ny Komity mpikarakara ny fifidianana ho an’ny CCI Toamasina. Nihaona tamin’ny mpandraharaha izy ireo nampahafantatra ny fisian’ny fifidianana sy ny fepetra rehetra momba izany. Teo anatrehan’ny solontenan-mpanjakana eo an-tanàna no nanaovana izany.
👉ALAOTRA MANGORO: Tao Moramanga no nivory niaraka tamin’ireo mpandraharaha ny Komity manokana mpikarakara ny fifidianana ny Zoma 26 Aogositra 2022. Voaresaka ny mahakasika ny CCI sy ny maha-zava-dehibe azy ho an’ny mpandraharaha, ny tetiandrom-pifidianana, ny fepetra fisoratana anarana anaty lisi-pifidianana sy hirotsahana ho fidiana. Ny 3 Desambra 2022 no hanatanterahana ny latsa-bato ho an’ny any Alaotra Mangoro.
👉MENABE: Ny distrikan’i Miandrivazo no nidinan’ny Komity manokana mpikarakara fifidianana ny faran’ny herinandro lasa iny. Fanentanana hisoratra anarana ho mpifidy, fampahafantarana ny momba ny CCI sy ny fifidianana no natao tamin’ireo tompon’andraikitr ao amin’ny distrika sy ny kaominina ary ny mpandraharaha.
Sary DRICC

Vous aimerez aussi...