Vaovao momba ny fifidianana izay ho mpikambana maharitra eny anivon’ny Antenimieran’ny Varotra sy Indostria (CCI)

👉IHOROMBE: Hidina any amin’ny distrikan’Iakora sy ny distrikan’Ivohibe ny komity manokana mpikarakara ny fifidianana ny 6 ka hatramin’ny 13 Septambra 2022 ho avy izao. Hanentana ireo mpandraharaha ara-toekarena hisoratra anarana ho mpifidy sy hampahafantatra ny tetiandro izy ireo amin’izany. Ho tanterahina ny 08 Novambra 2022 moa ny fifidianana ny ho mpitantana ny CCI any amin’ny faritra Ihorombe.
👉ITASY: Fandaharana amin’ny radio no entin’ny mpikarakara fifidianana hanentanana ireo mpifidy mbola tsy voasoratra hanao izany. Hihazo an’Arivonimamo sy Soavinandriana izy ireo amin’ny herinandro. Nivory tao Miarinarivo moa ny Komity manokana mpikarakara ny fifidianana sy ny Komity teknika ny Alakamisy 25 Aogositra 2022.
👉VAKINANKARATRA: Ny distrikan’Antanifotsy tao amin’ny kaominina Ambohimandroso indray no nanohizan’ny Komity manokana ny fanentanana ireo mpifidy ny 26 Aogositra 2022. Nisy hatrany moa ny fanatonana ireo mpitondra any an-toerana mialoha ny fifanatrehana amin’ireo mpandraharaha. Resena lahatra izy ireo hisoratra anarana mba hahafahan’izy ireo mandray anjara amin’io fifidianana io.
Sary DRICC

Vous aimerez aussi...