Vaovao momba ny fifidianana izay ho mpikambana maharitra eny anivon’ny Antenimieran’ny Varotra sy Indostria (CCI)

👉ALAOTRA MANGORO: Tao amin’ny kaominina Amparafaravola indray no nanatanterahana ny fanentanana ireo mpandraharaha momba ny fifidianana ny Zoma 02 Septambra 2022 lasa teo. Navoitra tamin’izany ny anjara toeran’ny CCI eo amin’ny tontolon’ny fandraharahana sy fampandrosoana ny firenena. Efa nisokatra tamin’ny 16 Aogositra ny fisoratana anarana anaty lisi-pifidianana ka tsy hifarana raha tsy ny 21 Septambra. Ny 03 Desambra 2022 kosa no daty voatondro handatsaham-bato.
👉AMORON’I MANIA: Nifarana ny 31 Aogositra 2022 ny fandraisana ireo antontan-taratasy handrafetana ny lisi-pifidianana. Nahatratra 273 ny mpifidy tafiditra ao anaty lisitra vonjimaika. Nahitana solontena daholo ireo kolejy 3 ka 109 ho an’ny varotra, 107 ho an’ny serivisy ary 57 ny indostria. Vita koa ny fizarana ny toerana isaky ny kolejy izay mitsinjara toy izao: Toerana 10 ho an’ny varotra, 10 ho an’ny serivisy ary 5 ho an’ny indostria. Ny 02 Novambra 2022 ny fifidianana.
Sary DRICC

Vous aimerez aussi...