Vaovao momba ny fifidianana izay ho mpikambana maharitra eny anivon’ny Antenimieran’ny Varotra sy Indostria (CCI)

👉VAKINANKARATRA: Hihemotra amin’ny 26 Novambra 2022 ny vaninandrom-pifidianana ny ho mpikambana raikitra ao amin’ny CCI Antsirabe. Nampiantso ny vondron’ny mpandraharaha ny Komity manokana mpikarakara ny fifidianana ny Alatsinainy teo nampahafantarina izany. Nentanina koa ireo solontena tonga nivory mba tena hiara-hisalahy amin’ny fanatontosana io fifidianana io.
👉BONGOLAVA : Tontosa ny Alarobia 07 Septambra 2022 ny famoriana ireo mpandraharaha liana ho kandidà. Fihaonana notanterahana tao amin’ny efitrano fivorian’ny CCI Tsiroanomandidy. Notsiahivin’ny Filohan’ny Komity manokana mikarakara ny fifidianana Liva Andrianantenaina ireo mason-tsivana amin’ny filatsahan-ko fidiana.
👉AMORON’I MANIA : Namory ireo solontenan’ny mpandraharaha tao amin’ny efitrano malalaky ny CCI Andrefantsena Ambositra ny Komity manokana mpikarakara ny fifidianana ny Talata 06 Septambra 2022 teo. Nampahatsiahivina tamin’izy ireo ny tetiandrom-pifidianana sy ny tsara ho fantatra mahakasika ny fifidianana indrindra ny momba ny fanomanana ny antontan-taratasy ahafahana milatsaka ho fidiana. Hifarana ny 03 Oktobra 2022 ny fametrahana izany antontan-taratasy izany.
Sary DRICC

Vous aimerez aussi...