Vaovao momba ny Fifidianana izay ho mpikambana maharitra eny anivon’ny Antenimieran’ny Varotra sy Indostria (CCI)

👉ALAOTRA MANGORO : Nanatanteraka fivoriana niaraka tamin’ireo mpandraharaha ao antampon-tanànan’Ambatondrazaka ny Komity vonjimaika mikarakara ny fifidianana ny Zoma 12 Aogositra lasa teo. Nampahafantarina nandritra izany ny andraikitra sy anjara toerana misy ny CCI sy ireo fepetra samihafa momba ny fifidianana. Anio Talata 16 Aogositra 2022 moa no hisokatra ny fisoratana anarana anatin’ny lisi-pifidianana ka tsy hifarana izany raha tsy ny 21 Septambra 2022. Ny Sabotsy 03 Desambra kosa no vaninandrom-pifidianana.
👉BONGOLAVA: Nidina tany amin’ny kaominina Mahasolo ny Komity vonjimaika mpikarakara ny fifidianana ny 09 sy 10 Aogositra 2022. Tamin’izany no nanentanana ireo mpandraharaha misehatra amin’ny Indostria, ny Varotra sy ny Servisy mba hanomana ireo antontan-taratasy maha-mpandraharaha ara-dalàna ka hisoratra anarana ho mpikambana sy ho mpifidy ao amin’ny CCI Bongolava.
👉BOENY: Nivoaka tamin’ny fomba ofisialy ny lisitra vonjimaika misy ireo mpifidy ary natao peta-drindrina izany. Miisa 75 ireo mpifidy avy amin’ny sehatry ny varotra, 17 ny avy amin’ny indostria ary 64 ny servisy. Mbola mitohy hatramin’ny 02 Septambra 2022 ny fandraisana ny antontan-taratatasy fanoratana anarana ao amin’ny lisitry ny mpifidy. Nanomboka ny 04 Aogositra 2022 ka tsy hifarana raha tsy ny 03 Septambra 2022 kosa ny fandraisana ny filatsahan-ko fidiana.
Sary DRICC

Vous aimerez aussi...