Vaovao songadina amin’ny Faritra Analanjirofo

Miomana amin’ny fiatrehana ny rivo-doza BATSIRAI ny faritra. Ampy ny tahiry any an-toerana ary marin-toerana ny vidim-bary. Misy ny Vary TSINJO izay efa azo jifain’ireo mpivarotra any Toamasina amin’ny orinasa SPM. Manentana ireo mpivarotra sy mpamongady aty an-toerana ny DRICC hanjifa izany ary hampitombo mihoatra ny mahazatra ny tahiry ahafahana miatrika ny mety ho takaitra ateraky ny rivo-doza. Manentana hatrany ny DRICC amin’ny tsy tokony hisian’ny fanararaotana amin’ny fampiakarana vidin’entana na fanafenana tahiry. Hisy ny fanentanana amin’ny haino aman-jery ny amin’izany rehetra izany. Hisy koa ny fidinana ifotony amin’ity herinandro ity ho fanohizana izao fivoriana izao hetsika izao.

Vous aimerez aussi...