Vaovao Songadina avy amin’ny faritra Amoron’i Mania, Vakinankaratra sy Analamanga

👉AMORON’I MANIA: Notanterahana tany amin’ny kaominina Mandrosonoro any amin’ny distrikan’Ambatofinandrahana ny “Festival Voanjo donga mena” ny 15, 16, 17 Septambra 2022. Natao izao hetsika izao ho fampahafantarana io karazam-boanjo io sy ny vokatra azo avy amin’ny fanodinana azy fa tsy hamokarana menaka fotsiny ihany akory. Nanokatra izany tany an-toerana ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena sady solombavambahoaka voafidy tany Ambatofinandrahana.
👉VAKINANKARATRA: Nidina nanentana sy nanabe an’ireo Cash Point ao Antsirabe ny DRICC ho fiarovana ny mpanjifa amin’ny mety ho fanararaotana. Nahazoana fitarainana mantsy ny fakana sarany amin’ny dépôt MVola sy ny sarany fanampiny ambony amin’ny vidin’ny fahana. Mbola hitohy hatrany moa ny hetsika.
👉ANALAMANGA: Nandraisan’ny DRICC fitenenana ny momba ny ODOF sy ny Taninketsa Indostrialy nandritra ny fivoriana mikasika ny Tetikasa Titra maitso tafiditra anatin’ny fampanantenan’ny Filoham-pirenena. Any Fihaonana distrikan’Ankazobe no hanatanterahana izany ka mbola hisy ny fidinana any an-toerana. Nitarika io fivoriana tamin’ny Alatsinainy 13 Septambra 2022 io ny avy amin’ny Faritra Analamanga.
Sary DRICC

Vous aimerez aussi...