Vaovao Songadina avy amin’ny faritra Analamanga, Amoron’i Mania sy Analanjirofo

👉ANALAMANGA: Tafatsangana tao amin’ny kaominina Sabotsy Namehana ny Alatsinainy 24 Oktobra 2022 teo ny kaoperativa mpamokatra sy mpanodina zava-manitra isan-karazany toy ny sakay pilo, sakamalao, dipoavatra sy ny maro hafa. Nijoro ny Talata 25 Oktobra 2022 tao Ankadikely Ilafy koa ny kaoperativa FIVOY izay mamokatra tantely sy ny kaoperativa TSINJO izay mpamokatra Jirofo sy Kafe. Marihina moa fa ny foiben-toerana no ato amin’ny faritra Analamanga fa ny toeram-pamokarana dia any Manakara.
👉AMORON’I MANIA: Kaoperativa roa, izay misehatra amin’ny fambolena voasary makirana, no nahazo fiofanana ny Alarobia 12 Oktobra 2022 tao Ambovombe Afovoany, distrikan’i Manandriana. Avy any amin’ny kaominina Ilanjana sy Ambatomarina moa ireo kaoperativa ireo. Nozaraina taminy ny fomba fitantanana ny kaoperativa, ny fomba fiainana anaty kaoperativa ary ny andraikitry ny filankevi-pitantanana.
👉ANALANJIROFO : Mpiara-miombon’antoka amin’ny Tetikasa natao hanakanana ny firongatry ny karazan-kazo antsoina hoe:  » Kinina rano » any Analanjirofo ny DRICC. Betsaka ny voka-dratsy ateraky ny firoboroboan’izy io, toy ny fitrohany ny rano izay tokony ho ampiasain’ny mpamboly, ny famonoany ireo karazan-kazo zana-tany, fandrakofany ny tany izay tokony ambolena vary sy voly hafa, ny fahamoran’ny famaizan’ny ala izay manodidina azy satria izy ity dia hazo ahazoana lohamenaka. Ny fanohananana ara-teknika ireo kaoperativa mpahazo tombontsoa sy ny fampianarana ny fiainana sy fitantanana kaoperativa no sahanin’ny DRICC amin’izany. Tontosa ny 12 Oktobra 2022 ny fampahafantarana ny fanombohan’ny Tetikasa.

Vous aimerez aussi...