Vaovao Songadina avy amin’ny faritra Analamanga, Vakinankaratra sy Atsimo Atsinanana

👉ANALAMANGA: Hosokafana eto Antananarivo ny tsenan-detisia ambongadiny. Toerana anisan’ireo voalohany mpanjifa ny letisia vokatra eto an-toerana mantsy ity renivohitr’i Madagasikara ity. Nisitraka fanamafisana fahaiza-manao ireo kaomiseran’ny varotra sy ny fanjifana eo anivon’ny DRICC Analamanga ny Zoma 28 Oktobra 2022 ho fiomanana amin’izany tsenan-detisia ambongadiny izany. Niara-nisalahy nahatontosana izany ny DRICC Atsinanana sy ny FORMAPROD.
👉VAKINANKARATRA: Nitsidika mpanodina sy mpamokatra savony miisa 3 any amin’ny distrikan’Antsirabe I ny avy amin’ny DII sy ny DRICC Vakinankaratra ny 27 sy 28 Oktobra 2022. Natao izany noho ny fangatahan’ireo mpandraharaha fahazoan-dalana ara-tontolo iainana (permis environnemental) karazany PREE. Ireto orinasa telo ireto dia mamelona tokantrano maro ao amin’ny kaominina Antsirabe I.
👉ATSIMO ATSINANANA: Niara-nisalahy ny minisitera maromaro sy ny fiadidiana ny Repoblika nampahafantatra ny Tetikasa Miavotse tany amin’ny distrikan’i Farafangana sy Vangaindrano. Ity tetikasa ity moa dia miompana indrindra amin’ny fampahafantarana ny tanora ireo lalam-piofanana tokony harahiny amin’ny hijerena sahady ny ho aviny. Tamin’ny alalan’ny fampirantiana no nanehoan’ny DRICC fa maro ny vokatra any amin’ny faritra ka afaka misehatra amin’ny fandraharahana ny tanora. Tsy maintsy manaraka ny lalàna amin’ny fanana atontan-taratasy ilaina anefa izy amin’izany. Nampahafantarina ihany koa ny momba ny kaoperativa sy ny tombontsoa azo amin’ny fidirana anaty kaoperativa.
Sary DRICC

Vous aimerez aussi...