Vaovao Songadina avy amin’ny Faritra Atsimo Andrefana sy Itasy

👉Atsimo Andrefana :
Nidina tany Sakaraha ny ekipan’ny DRICC nifampidinika niaraka tamin’ireo mpandraharaha liana amin’ny fandaharanasa TANINKETSA INDOSTRIALY. Fotoana ihany koa nanaovana famelabelarana mikasika ny tombontsoa azo amin’ny fivondronana anaty kaoperativa. Ny kaoperativa izay mpisehatra voalohany ao anatin’ny Taninketsa Indostrialy.
👉Itasy:
Nahitana fitaovam-pandanjàna tsy manaraka ny fenitra takiana miisa 53 ary vato mizàna tsy ara-dalàna 203 isa tao amin’ny Tsena’ny Kaominina Analavory, Distrika Soavinandriana. Nandraisana fepetra avy hatrany ireo fitaovam-pandanjàna ireo.
Sary DRICC

Vous aimerez aussi...