Vaovao Songadina avy amin’ny faritra Bongolava, Anosy sy Menabe

👉BONGOLAVA: Ny fomba ny hampitomboana haingana ny savony vokarin’ny CFP (Foibe fanofanana arak’asa) no nodinihan’ny DRICC niaraka tamin’ny mompera Rabemanantsoa Zafiarinel, mpitantana ny CFP ao Maharavoandriana sy Ambohintsoa Tsiroanomandidy. Voaresaka koa ny hananganana kaoperativa atao hoe MAGIS (Maharavo Agro Inter Sectoriel). Antenaina hahamora ny vidin-tsavony izany.
👉ANOSY: Natomboka ny 30 Jona 2023 ny fizaràna taratasy fiantsoana hanatanterahana fitsarana fitaovam-pandanjana ao Tolagnaro. Nahatratra 74 ny fitaovam-pandanjana voatsara ka 11 no lany, 63 kosa tsy lany ka tsy maintsy amboarina. Mbola mitohy ny asa.
👉MENABE: Mbola ahitana sira tsy misy ioda sy fluor eny amin’ny tsena, amin’ireo distrika mandrafitra ny Faritra Menabe. Hanatsarana ny fomba fiasa hampanarahan-dalàna ny tsenan’ny sira no anton’ny fivorian’ny CRS (Komitim-paritry ny sira) tao Mahajanga ny 11 Jolay 2023. Nandray anjara tamin’izany ny DRICC.
Sary DRICC

Vous aimerez aussi...