Vaovao songadina avy amin’ny Faritra Ihorombe
Nahatratrarana vato mizana tsy ara-dalàna tany Ihosy.
Nanatanteraka fitsirihana tampoka tao amin’ny tsena Tanambao-Ihosy ny mpanara-maso ny varotra, ny 26 janoary 2022. Nogiazana ny vato mizana tratra tsy manara-dalàna. Hita mari-toerana kosa ny vidin’ny entana ilaina andavanandro na PPN, ary ampy ny tahirim-bokatra.