Vaovao songadina avy any amin’ny Faritra

📌

AMORON’IMANIA

Namory ireo tompon’andraiki-panjakana any an-toerana tamin’ny alatsinainy teo ny Governora sy ny Préfet ho fiomanana amin’ny fiatrehana ny loza voajanahary. Fihaonana izay nahitana ny fandraisain’ny DRICC anjara. Nambara nandritra izany fa tsy misy atahorana ny tahiry sy ny vidin’ny vary. Hisitraka ny Vary Tsinjo tsy ho ela ny faritra.

📌

ATSIMO ATSINANANA

Tonga androany any Farafangana ny andiany voalohany amin’ny Vary Tsinjo ka nanara-maso izany ny DRICC Atsimo Atsinanana. Marisika ny olona hividy ny vary amin’ny 600Ar ny kapoaka.

📌

ALAOTRA MANGORO

Niorina ara-panjakana niaraka tamin’ny ekipan’ny DRICC androany 02 Febroary 2022 tao Ambodirano Amparafaravola ny Kaoperativa AINA SOA. Mpikambana 15 misehatra amin’ny fambolena vary sy legioma no mpanorina. Nomena fiofanana momba ny fitantanana fikambanana sy ny lalàna mifehy ny kaoperativa avy hatrany izy ireo.

📌

DIANA

Efa tonga ao Vohémar ny Vary Tsinjo 210 taonina anjaran’ny faritra DIANA. Taterina mankany Ambilobe moa ireo vary ireo hihazoany ny faritra DIANA.

Vous aimerez aussi...