
ALAOTRA MANGORO: Natao peta-drindrina ny 05 Desambra 2022 ny voka-pifidianana ofisialy ahitana ireo mpikambana maharitra any amin’ny CCI Faritra Alaotra Mangoro. Toy izao manaraka izao ny isan’ny toerana azon’ireo Vondron’ny mpandraharaha telo nifaninana tamin’izany : GROPECAM nahazo toerana 11 amin’ny 23, GEPTOA nahazo toerana 9 amin’ny 23 ary FIVMPAMA toerana 3. Ny 22 Desambra ho avy izao no vinavinain’ny Komity manokana hiantsoana ny fivoriambe voalohany hifidianana ny birao hitantana ny CCI mandritra ny 4 taona manaraka.

IHOROMBE: Maro ireo mpampiasa vola sy mpamatsy vola tonga nandray anjara tamin’ny atrik’asa isan-karazany nandritra ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny faritra. Tany amin’ny kaominina ambonivohitra Ihosy sy kaominina ambanivohitra Ranohira no nisian’ny hetsika nentina nampisehoana ireo otri-karena rehetra hita any amin’ny Faritra Ihorombe ny 01 Desambra 2022. Naharitra telo andro ny fankalazana ka anisan’ny nandray anjara feno ny DRICC Ihorombe .

BOENY: Atrikasa nandritra ny roa andro tao amin’ny toeram-pivoriana GIZ La Corniche ao Mahajanga no nentin’ny ekipa nationaly I- Team hametrahana ny ekipa rejionaly any Boeny. Hisahana ny fanaraha-maso ny kalitaon’ny sira izay vokarina sy amidy any amin’ny Faritra Boeny ka hisitrahan’ny mponina sira tsara kalitao sy manaraka ny fenitra takian’ny lalàna manan-kery izy ireo. Nisy ihany koa ny fidinana ifotony teny amin’ny mpanodina sira iray ka nanomezana sahady toromarika ny tompon’andraikitra mba hanaraka ny lalàna manan-kery. Nandray anjara feno tamin’izany ny ekipan’ny DPC.