Vaovao Songadina avy any amin’ny faritra Amoron’i Mania, Analanjirofo sy Itasy: Samy nanana ny fomba nankalazany ny JMDC (Andro maneran-tany ho an’ny zon’ny mpanjifa) ny isa-paritra.

👉AMORON’I MANIA : Fidinana ifotony nitsirihana ireo mpivarotra PPN sy mpivaro-kena teny Alakamisy ary koa resadresaka tamin’ny mpivarotra sy mpanjifa sendra ny ekipan’ny DRICC no nanamarihana ny 15 Marsa ny tapak’andro maraina. Nitohy tamin’ny famelabelarana narahina adihevitra notronin’ireo mpikambana ao amin’ny CCI, ny avy ao amin’ny Minisiteran’ny mponina sy fikambanana Andry Fampandrosoana an’Amoron’i Mania izany ny tolakandro.

👉ANALANJIROFO : Vatomizana 12 no nogiazana niaraka tamin’ny mizana 6 izay tsy nanara-penitra. Izany no vokatry ny firotsahana teny amin’ny tsena roa ao Fenoarivo Atsinanana. Nisy ny fanentanana ireo mpivarotra rehetra ny amin’ny fomba fanajana ny zon’ny mpanjifa. Niara-nanamarika ny JMDC tany Toamasina koa ny avy amin’ny DRICC Analanjirofo.

👉ITASY : Fanentana sy fampafantarana ny mponin’Itasy ny mahakasika ny fankalazana ny JMDC no natao tany Miarinarivo. Nifarimbona tamin’izany ny DRICC Itasy sy ny Tale mpanatanteraka eo anivon’ny CCI Itasy. Raha nanazava ny zo fototra telon’ny mpanjifa ny DRICC dia nanamafy ny fanentanana ny mpanjifa mba hividy ny vokatra ara-pahasalamana ny CCI. Nisy ny fizarana ireo takelaka fanentanana teny amin’ny mpivarotra ahafahany mizara izany indray amin’ny mpanjifa.

Sary DRICC

Vous aimerez aussi...