Vaovao Songadina avy any amin’ny faritra Analanjirofo, Menabe sy Melaky
👉ANALANJIROFO : Entana lany daty maherin’ny 200 kilao no tratra teny amin’ny mpivarotra ny faramparan’ny taona 2022. Nandraisana fepetra moa ireo entana ireo ka tsy maintsy nodorana tao Fenoarivo Atsinanana. Natrehan’ny sampandraharaha samihafa any an-toerana izany no narahina fanentanana amin’ny tokony hahamailo ny tsirairay amin’ny entana lany daty.
👉MENABE : Tsy maintsy nogiazana ireo vatomizana 35 sy mizana roa nampiahiahy tany Morondava ary tsy maintsy naverina notsaraina. Nandritra ny fisafoana nataon’ny DRICC Menabe ny 04 Janoary 2023 no nahitana azy ireo. Hetsika natao indrindra ho fiarovana ny zon’ny mpanjifa.
👉MELAKY : Manana tahirim-bary ampy hiatrehana ny maitso ahitra ny faritra Melaky. Marin-toerana ny koa ny vidim-bary any an-toerana ary mitohy ny famatsiana entana ilaina amin’ny fiainana andavanandro. Vidiana 750 Ar ny iray kapoaka amin’ny Vary gasy any an-toerana raha 650 Ar ny Vary nohafarana.
Sary DRICC