Vaovao Songadina avy any amin’ny faritra Atsimo Andrefana, Alaotra Mangoro sy Menabe

👉ATSIMO ANDREFANA: Mijery akaiky ny momba ny fanangonana hasy ny DRICC. Nidinika niaraka tamin’ny tompon’andraikitry ny Orinasa MSG (Madagascar Standard Groupe) izay sangany amin’ny famokarana hasy ny avy amin’ny Fitalevam-paritra ny Alarobia 25 Mey 2022. Nasiana resaka ny olana sedraina amin’ny fanangonana hasy amin’ity taona 2022 sy ny ho fanatsarana ny lalàna mifehy ny hasy izay tsy mifanaraka amin’ny zava-misy. Mitana anjara toerana lehibe amin’ny seha-pihariana any amin’ny faritra Atsimo Andrefana ny hasy.
👉ALAOTRA MANGORO: Miomana amin’ny fandraisana ny Taninketsa Indostrialy koa ny any an-toerana. Tafatsangana ny Talata 25 Mey 2022 teo ny Kaoperativa BE MIVOATRA misehatra amin’ny fambolena, fanangonana ary fanodinana voanjo ho lasa menaka. Ahitana mpikambana 17 ny kaoperativa ka vehivavy avokoa ny 11. Nomena fiofanana momba ny fitantanana kaoperativa sy ny lalàna mifehy ny kaoperativa izy ireo.
👉MENABE: Mitodika amin’ny fanatsarana ny asa an-dranomasina ny any Menabe. Ny famadihana ny hazan-dranomasina ho trondro asaly no ho sahanin’ny kaoperativa FITIAVANA. Nomena fiofanana momba ny lalàna mifehy ny kaoperativa sy ny fiainana anaty kaoperativa ny mpikambana ny Alarobia 25 Mey 2022. Natolotra ny kaoperativa ny fanamarinam-piraketana maha-ara-dalàna.
Sary DRICC

Vous aimerez aussi...