Vaovao Songadina avy any amin’ny Faritra Atsimo Andrefana, Sofia sy Bongolava

👉ATSIMO ANDREFANA: Noferana 1400Ar ny vidy farany ambany amin’ny kilaon’ny hasy. Orinasa telo sy kaoperativa iray no nomena fahazoan-dalana hanangona vokatra hasy taorian’ny sivana. Nosokafana ny 5 Mey 2022 lasa teo tany Toliary ny fotoam-panangonana ny vokatra.

👉SOFIA: Rahampitso Talata 10 Mey 2022 no farafanaterana ny fanambarana tahirin-davanila ao amin’ny DRICC. Efa voazara any amin’ireo mpanondrana, mpikarakara ary mpanangom-bokatra ny takela-taratasy natokana anaovana izany. Midina mizaha ny trano fitahirizana ny avy amin’ny Fitaleavam-paritra manamarina izay voalaza anaty fanambarana.

👉BONGOLAVA: Mizana 27 amin’ireo 83 notsaraina no lany. Natolotra ny Mpanamboatra nahazo fankatoavana avy amin’ny MICC avy hatrany ireo mizana ireo. Mpanangom-bokatra sy mpivarotra avy any Bevato, Mahazoarivo, Ambohibary, Ambatomitsangana, Fiakarantsoa ary Manakambahiny no tonga nitsara ny fitaovam-pandanjany.

Sary DRICC

Vous aimerez aussi...