Vaovao songadina avy any amin’ny Faritra Atsimo Andrefana sy Menabe

Atsimo Andrefana :

👉Fiarovana ny tontolo iainana.

Nandray anjara tamin’ny atrikasa momba ny fanentanana ireo mpisehatra amin’ny CITES (varotra iraisam-pirenena eo amin’ireo zava-manan’aina sy zava-maniry dia) eto Madagasikara ny DRICC tany an-toerana. « Manoloana ny andraikitra sahanin’ny MICC mikasika ireo fanomezana alalana indostrialy dia zava-dehibe ny mahafantatra ireo paikady sy fepetra manodidina ny fikajiana ny tontolo iainana » hoy ny Talem-paritra (DRICC).

👉Seha-pihariana landihazo (coton).

Hatramin’ny 2 363 162 kilao ny vokatra tany Atsimo Andrefana ny taona 2021.
Nidina ifotony ny DRICC nijery ny fivoaran’ny seha-pihariana landihazo ny herinandro lasa teo. Ahitana orinasa mpamokatra telo, kaoperativa iray ary mpamboly 1462 ireo mpisehatra mampiroborobo ny famokarana ny landihazo any an-toerana. Nambaran’ny Fitaleavam-paritra ihany koa fa hifarana amin’ny 30 marsa ho avy izao ny fanomezana fankatoavana eo amin’ny fanangonam-bokatra landihazo ho an’ireo orinasa sy kaoperativa mahafeno ny fepetra rehetra.
Menabe :

👉Fanentanana mikasika ny fandraharahana niarahan’ny DRICC sy ny Antenimieran’ny Varotra sy Indostria Menabe

Nisy ny famelabelarana nataon’ny Fitaleavam-paritra (DRICC) momba ny kaoperativa sy ny tontolony ary ireo lalàna rehetra mifehy ny varotra.

Vous aimerez aussi...