Vaovao Songadina avy any amin’ny faritra Atsimo Atsinanana, Itasy sy Vakinankaratra:Midina ifotony manamarina ireo fitaovam-pandanjana ny ekipan’ny DRICC

👉ATSIMO ATSINANANA: Hifarana rahampitso 26 Aogositra 2022 ny fe-potoana anatanterahana ny fisarana mizana raha nanomboka ny 16 Aogositra 2022 izany. Niarahana tamin’ny mpanamboatra fitaovam-pandanjana nahazo fankatoavana avy any Antsirabe moa ity hetsika ity. Hatramin’ny afak’omaly dia vato sy mizana 86 no nohatsaraina. Noho ny faritra Atsimo Atsinanana amoron-dranomasina dia mora harafesina ireny fitaovana ireny.

👉ITASY: Mizana “bascule” 130 sy “Roberval” 407 ary vatomizana 1055 no voasava sy namboarina ho an’ireo tsy nahafeno fepetra. Voatety nanaovana asa fitsarana fitaovam-pandanjana avokoa ny kaominina Miarinarivo, Arivonimamo, Soavinandriana, Ampefy, Ampary, Ankisabe, Mahavelona, Mananasy, Andolofotsy, Anosibe Ifanja, Analavory, Ambatomanjaka, Manazary, Mandivato, Ambohitrambo, Manalalondo ary Imerintsiatosika. Tapitra ny 05 Aogositra 2022 moa ny fitetezana.
👉VAKINANKARATRA: Ny kaominina Ambohimandroso, distrika Antanifotsy, no nanatanterahana ny fanamarinana ireo fitaovam-pandanjana tamin’ity herinandro ity. Tafiditra anatin’ny fiarovana ny mpanjifa moa izao hetsika ataon’ny DRICC Vakinankaratra izao hialana amin’ny mety ho fanararaotana.
Sary DRICC

Vous aimerez aussi...