Vaovao Songadina avy any amin’ny Faritra Betsiboka, Boeny sy Menabe
Publié
· Mis à jour
BETSIBOKA: Famarana ary fitaovam-pandanjana manodidina ny 200 no voatsara tany amin’ny kaominina Maevatanana I sy Mahazoma ny 13 ka hatramin’ny 24 Jona 2022. Ny 50%-n’ny asa fitsarana tokony hataon’ny DRICC ireo. Hitohy any Antanimbary, Andriba, Berivotra, Mahatsinjo, Antsiafabositra, Tsaratanàna sy Kandreho izany manomboka ny 4 Jolay 2022 izao.
BOENY: Nisolo tena ny Minisitra ny Talem-paritra (DRICC) omaly 29 Jona 2022 raha nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny andiany voalohany amin’ny Foaran’ny vehivavy mpandraharaha any Boeny. Lanonana natrehin’ny solontenam-panjakana sy ny avy amin’ny GFEM na Vondron’ny Vehivavy Mpandraharaha eto Madagasikara. Fampirantiana mandritra ny efatra andro no tanterahina ao Mahajanga anatin’izany. Mandray anjara ireo vehivavy mivondrona anaty fikambanana sy kaoperativa.
MENABE: Nisitraka fampiofanana ny kaoperativa Mahalomba ny 29 Jona 2022. Nampahafantarina tamin’izany ny lalàna mifehy ny kaoperativa sy ny fomba fiainana ao anatiny. Notolorana taratasy fanamarinam-piraketana ity kaoperativa ity izay misehatra amin’ny fanangonana, fanamainana, fitotoana sy fanodinana ny voamaina.