Vaovao songadina avy any amin’ny Faritra Boeny sy Ihorombe

👉

MAROVOAY: Hatsangana tsy ho ela any an-toerana ny fitotoam-bary maoderina ary efa miroso amin’ny fifantenana ny mpandraharaha liana amin’ny tetik’asa ny komity teknika. Miantoka ny 35% n’ny famokarana vary any amin’ny faritra Boeny moa i Marovoay.

👉

MAHAJANGA: 400 Ar ka hatramin’ny 700 Ar ny vidin’ny atody iray any amin’ny tsenan’i Tsaramandroso, Mahabibo, Marolaka sy Sotema. Tsy nahitana fiakarany io ary mbola hidina aza, araka ny fanazavan’ireo mpivarotra nanontaniana tamin’ny Alatsinainy 28 Marsa 2022 lasa teo. Tamin’ny volana desambra 2021 no nahatratra 800 Ar ny vidin’ny atody fa nidina izany rehefa vita ny fety.

👉

IHOSY: Tsy nahitana fiakarany ny vidin’entana ilaina andavanandro raha ampiatahaina amin’ny tamin’ny herinandro lasa. Raha ny tahiry indray dia ampy tsara hamaliana ny filàn’ny mponina. Nanatanteraka fanaraha-maso ny tahiry sy ny vidin’entana ilaina andavanandro ny DRICC afak’omaly.

Sary DRICC

Vous aimerez aussi...