Vaovao Songadina avy any amin’ny Faritra Bongolava, Amoron’i Mania sy Vakinankaratra
BONGOLAVA: Hanome fampiofanana 6 karazana ny DRICC Bongolava ny 07 sy 08 Desambra 2022 raha hanofana momba ny karazam-bary 5S Japoney kosa ny PAPRIZ. Nivoitra izany taorian’ny fidinan’ny roa tonta teny amin’ireo kaoperativa roa mpamboly vary ao amin’ny kaominina Ambalanirana sy tany amin’ny kaoperativa iray mpamokatra masomboly ao Ankadinondry Sakay. Hisy hatrany ny fanaraha-maso amin’ny fivoaran’ny kaoperativa sy ny tohana fitaovana sy masomboly avy amin’ny PAPRIZ ho fampiroboroboana ireo kaoperativa iaraha-manohana ireo.
AMORON’I MANIA: Amin’ny volana Desambra no hatao ny fivoriam-be hananganana ny Sehatra iray lehibe momba ny tantely (Plateforme miel) any amin’ny Faritra Amoron’i Mania. Nisy ny fivoriana nanomanana izany tamin’ny herinandro. Nandray anjara ny DID eo amin’ny faritra, ny Ben’ny tanànan’Antoetra any amin’ny distrikan’Ambositra sy ny Ben’ny tanànan’ny kaominina Ambonivohitra Fandriana ary ny avy amin’ny DRICC. Nodinihina tamin’izany ny fomba firafitry ny birao hitantanana ny plateforme sy ny andraikitr’ireo mpikambana.
VAKINANKARATRA: Nandeha nijery ny zava-misy ny avy amin’ny DRICC rehefa naharay fitarainana fa miteraka fahasemporana sy aretina ny vovoka avoakan’ny orinasa iray ao amin’ny Fokontany Soamalaza, Distrika Antsirabe I. Hita fa tsy afaka mihodina intsony ilay Orinasa satria efa miparitaka be ireo vovoka. Efa misy toerana noeritreretin’ireo tompon’ny Orinasa hifindrana ka miandry ny fidinana iarahan’ny avy ao amin’ny DRICC, ny DREDD ary ny avy ao amin’ny prefektiora hijerena ilay toerana.