Vaovao Songadina avy any amin’ny faritra Bongolava sy Vakinankaratra

👉TSIROANOMANDIDY: Fanamboarana ireo fitaovam-pandanjana. Ankadinondry Sakay sy Andranomadio any amin’ny Distrikan’i Tsiroanomandidy no nanaovan’ny DRICC Menabe ny asa fanaraha-maso ireo fitaovana ampiasan’ny mpivarotra eny an-tsena. Nentina namboarina teo amin’ireo mpanamboatra nahazo fankatoavana manokana avy amin’ny MICC ireo fitaovana tsy manaraka ny fenitra takiana rehetra. Hetsika manamafy hatrany ny fiarovana ny mpanjifa izao natao izao.

👉AMBATOLAMPY : Hetsika fitsarana fitaovam-pandanjana. Mpanamboatra fitaovam-pandrefesana nahazo fankatoavana manokana avy amin’ny MICC miisa 8 no niara-nandamina ny hetsika fitsarana fitaovana ao amin’ny Distrikan’Ambatolampy. Hanomboka ny 11 ka hatramin’ny 15 Avrily 2022 ho avy izao ny fitsarana ireo fitaovam-pandanjana ireo araka ny fandaminana niaraka tamin’ny DRICC.

👉ANTSIRABE II:Fampiofanana Kaoperativa. Ny Kaominina ambanivohitra Alarobia indray no nanatontosan’ny ekipan’ny DRICC ny fampiofanana Kaoperativa. Mpikambana miisa 15 ao anatin’ny kaoperativa Tantsaha Mivoatra izay misehatra amin’ny fambolena sy fiompiana ary ny varotra no nisitraka izany ny 31 Marsa 2022 lasa teo.

Vous aimerez aussi...