Vaovao songadina avy any amin’ny faritra Diana, Betsiboka sy Sofia

👉DIANA: Nitondran’ny DRICC fanazavana tamin’ny FOIRE MEVA ny momba ny ODOF (One District One Factory). Haharitra herinandro ny hetsika izay nosokafana ny Sabotsy 9 Septambra 2023. Miisa 135 ireo mpandray anjara mpampiranty izay nahitana ny avy amin’ny faritra maromaro sy ny avy any Indonezia notarihin’ny Ambasadaoro indoneziana.
👉BETSIBOKA: Novoriana ireo mpivaro-kena rehetra any Maevatanana ny 8 Septambra 2023. Tamin’izany no nampahatsiahivana azy ireo ny lalàna mifehy ny fahasalamana sy fahadiovan’ny hena, ny mpivarotra ary ny toerana andalovan’izany hena izany dia ny toeram-pamonoam-biby, ny fitaterana, ary ny toeram- pivarotan-kena, ny fitsarana ny hena mialoha ny ipetrahany eny an-tsena, ny fitsarana ireo fitaovam-pandanjana, ny maha-matihanina sy ara- dalàna ireo mpivaro-kena rehetra na tompon’ny biby na mpiantoka na mpamongady na mpaninjara.
👉SOFIA: Ny distrikan’i Mampikony no nanatanterahana ny fitsarana fitaovam-pamarana sy fandanjana ny 4 ka hatramin’ny 8 Septambra 2023. Tontosa ny 28 Aogositra ka hatramin’ny 1 Septambra 2023 koa ny tany Port Bergé. Tao amin’ny distrikan’Antsohihy moa no nanombohana izany ary hitohy any amin’ny distrika hafa ao anatin’ny faritra Sofia.
Sary DRICC

Vous aimerez aussi...