Vaovao Songadina avy any amin’ny Faritra Fitovinany, Bongolava, Ihorombe

👉FITOVINANY: Nanapa-kevitra hiara-dalana amin’ny mpandraharaha iray mpanamboatra loha-menaka sy savony ny Banky BOA Madagascar. Izany moa dia vokatry ny fitarihan-dia nataon’ny DRICC azy hizaha ny toeram-pamokarana. Tsapa ny fahavononan’ity mpandraharaha ity amin’ny fananganana foto-drafitr’asa sy fampitaovana amin’ny alalan’ny volany madiodio. Nisaotra sy nankasitraka ny DRICC izy tamin’ny tohana ara-kevitra sy ara-teknika natao.
👉BONGOLAVA: Katsahina ny hanatsarana ny kalitao sy ny hampitomboana ny vokatra savony. Namory ireo mpitantana ny kaoperativa mpamokatra savony miisa 4 ny DRICC ho fanatanterahana izany. Tsy iza ireo fa ny Kaoperativa Vonona,SOAP, Mazavaloha ary ny Kaoperativa Soa izay mitambatra anatin’ny vondrona iray antsoina hoe RANDRANA.
👉IHOROMBE: Nivory voalohany ireo mpikambana ao amin’ny Komity manokana hikarakara ny fifidianana izay ho mpikambana maharitra hitantana ny CCI (Antenimieran’ny Varotra sy Indostria) ny 27 Jona 2022. Napetraka tamin’izany ny tetiandro mitondra mankany amin’ny datim-pifidianana.
Sary DRICC

Vous aimerez aussi...