Vaovao Songadina avy any amin’ny Faritra Ihorombe, Boeny, Itasy

👉

Ihorombe : Fampahafantarana ireo fepetra fanitsiana ara-barotra

Naharitra roa andro ny atrikasa ho an’ny mpandraharaha ara-barotra sy ireo kaoperativa tao an-tanànan’i Ihosy. Nikarakara izany izany moa ny DRICC sy ny ANMCC (Manamahefa nasionaly misahana ny fepetra fanitsiana ara-barotra) sy ny FCCIM(Federasionan’ny Antenimieran’ny Varotra sy Indostria eto Madagasikara). Nifanakalozana tamin’io fotoana io ireo fepetra sy dingana tokony arahina amin’ny fiarovana ny entana vokarina eto Madagasikara sy ny orinasa malagasy.

👉

Boeny: Fanaraha-maso ny fivoaran’ny asan’ireo mpandraharaha nisitraka fitaovana indostrialy

Nijery teny amin’ny toeram-piharian’ireo kaoperativa (FINARITRA : fanasaleana inôksa; MIHANTRA: milina fanjairana indostrialy; Fikambanan’ny mpanjono: vata mamokatra rano mandry) nisitraka fitaovana indostrialy ny ekipan’ny DRICC. Nohamarinina tamin’izany ny fizotra sy fivoaran’ny asan’izy ireo. Miodina araka ny tokony ho izy ireo fitaovana ary mitombo ny vokatra azo ka niteraka asa ho an’ny mponina eo an-tanana izany.

👉

Itasy: Fampiroboroboana ny sehatry ny Indostria eny ifotony

Nisy ny fanaovan-tsonia ny fifanaraham-piarahamiasa eo amin’ny DRICC sy ny fandaharanasa FORMAPROD ny 21 marsa lasa teo. Tanjona napetraka ny fampivoarana ny fanodinana ireo vokatra ifotony toy ny voankazo sy legioma eo amin’ireo kaoperativa, ny famatsiana fitaovana indostrialy ny fanohanana eo amin’ny lalam-barotra.
Sary DRICC

Vous aimerez aussi...