Vaovao Songadina avy any amin’ny Faritra Ihorombe, Vakinankaratra sy Bongolava

👉IHOROMBE: Niaraka tamin’ny Governora ny Talem-paritra (DRICC) Ihorombe raha nitsidika ny kaoperativa Faniry ivondronan’ireo vehivavy ao amin’ny kaominina Ankily distrikan’Ihosy. Vonona handray anjara amin’ny akora ilaina hanafainganana ny fanorenana trano handraisana ny milina fanodinana voanjo ho lasa menaka ny Governora. Ny kaoperativa Faniry no eritreretin’ny any an-toerana hanombohana ny TANINKETSA INDOSTRIALY any amin’ny Faritra Ihorombe.
👉VAKINANKARATRA: Hanampy ireo orinasa madinika mpamokatra savony ny DRICC hahazoany ny taratasy fahazoan-dalana ara-tontolo iainana. Miisa telo moa ireo orinasa ireo ao amin’ny distrikan’Antsirabe I. Nidina ifotony sy nifanakalo hevitra tamin’izy ireo ny ekipan’ny DICC ny 04 hatramin’ny 06 Jolay 2022.
👉BONGOLAVA: Kaoperativa efatra no voahofana nandritra ny fidinan’ny DRICC tany Ambohimarina distrikan’i Tsiroanomandidy ny 05 Jolay 2022, araka ny fifanarahana tamin’ny Tetik’asa Vahatra. Hanamora ny fidinana ifotony ataon’ny DRICC eny anivon’ny kaoperativa miisa 51 niaraha-nanangana ny taona 2021-2022 ny Tetik’asa Vahatra. Taranja 9 no nampiofanana ireo kaoperativa 51 ireo ka ny 4 natokana ho an’ny mpikambana tsotra ary ny 5 ho an’ny filankevi-pitantanana.
Sary DRICC

Vous aimerez aussi...