Vaovao songadina avy any amin’ny Faritra ITASY – BONGOLAVA

Fisavana tsy tapaka ireo entana rehetra amidy sy fitaovana ampiasan’ireo mpivarotra eny an-tsena hitsinjovana ny tombontsoan’ny mpanjifa
ITASY: Mizàna tsy ara-dalàna miisa 27 tao Ampefy sy Ampary nogiazina teo anivon’ny DRICC. Nahazo fampitandremana am-bava ireo mpivarotra ary nentanina ny rehetra hanamarina hatrany ny fitaovam-pandrefesana ampiasana amin’ny fotoana tokony hanaovana izany.
BONGOLAVA: Tsy ny entana ilaina andavanandro ihany no arahi-maso fa ny fanafody isan-karazany koa. Tantsaha avokoa ny 90 isan-jaton’ny mponina ao amin’ny Faritra Bongolava. Mamatsy ireo fanafody natoraly fampiasa eo amin’ny sehatry ny fambolena sy fiompiana izy ireo. Nidina nanara-maso ny kalitaon’ireny karazam-panafody ireny ny ekipan’ny DRICC ary nanamarina ihany koa ny “daty” ahafahana mampiasa azy.

Vous aimerez aussi...