Vaovao Songadina avy any amin’ny faritra Melaky, Itasy sy SAVA
Publié
· Mis à jour
MELAKY: Nivory tao Maintirano ireo mpisehatra amin’ny vary toy ny mpanangom-bokatra, ny mpivarotra, ny mpitoto vary sy ny tompon’andraiki-panjakana ny 12 Oktobra 2022. Izany no natao dia hitsonjovana ny maitso ahitra sy hisorohana ny fiakaran’ny vidin’ny vary gasy diso tafahoatra any an-toerana. Anisan’ny fanapahan-kevitra noraisina ny tsy fahazoana mivarotra vary fotsy ivelan’ny dokany sy ny bazary, ny fanomezana karatra fanao an-tratra maimaimpoana ho an’ny mpivarotra vary an-tsena rehetra, ka io no afahahany mividy vary eny amin’ny mpanangom-bokatra mitoto eny amin’ny fitotoam-bary, ny fanafoanana ireo mpanelanelana eo anivon’ny mpanangom-bokatra sy ny mpivarotra antsinjarany ao bazary mba hisorohana ny fanararaotana. Izay tratra mangalatra amin’ny kapoaka dia esorina tsy ho mpivarotra vary ao Bazary.
ITASY: Nitsidika ny Foibe rejionaly momba ny fanofanana araka asa mikasika ny fambolena (CRFPA) Antanetimbohangy Analavory ny DRICC Itasy. Tanjona ny handinihana ny fomba hiarahana miasa hampiroboroboana ny indostria madinika na ny Taniketsa indostrialy any amin’ny faritra Itasy. Ny CRFPA moa dia manofana tanora ho mpandraharaha amin’ny fanodinana sy famokarana sakafo. Miisa 57 ireo tanora efa nivoka tao hatramin’ny taona 2019 ary efa maro ireo efa misehatra amin’ny fandraharahana.
SAVA : Tanterahana any Sambava ny 20 ka hatramin’ny 23 Oktobra 2022 izao ny Foara ara-toekarena sy ekolojika ho an’ny faritra SAVA. Rahampitso Sabotsy dia handray anjara amin’ny kaoferansa momba ny tolotra sy ny tinady ka iresahana indrindra momba ny fanamby sy ny fahafahan’ireo mpamboly madinika ny DRICC. Hita amin’izao tsenabe izao moa ireo vokatra mampalaza ny faritra.