Vaovao Songadina avy any amin’ny Faritra MENABE, ATSIMO ANDREFANA

-Nampihofana ny mpikambana ao amin’ny Kaoperativa “Fihariantsoa” tao Morondava ny DRICC Menabe omaly Alakamisy 24 febroary 2022. Misehatra amin’ny fanangonana ny vokatra eto an-toerana sy ny fivarotana izany izy ireo. Nampahafantarina tamin’izany ny lalàna mifehy ny kaoperativa sy ny tokony hatao momba ny fitantanana kaoperativa.
-Andro faharoa amin’ny Tsena Mora any Toliary I sy Toliary II ny omaly. Nisokatra tamin’ireo mpanjifa ny Tsena Mora miisa 10. Manara-maso akaiky hatrany ny ekipan’ny DRICC Atsimo Andrefana.

Vous aimerez aussi...