Vaovao Songadina avy any amin’ny faritra Menabe, Itasy sy Amoron’i Mania: Amperin’asa ny DRICC amin’ny fanamaivanana ny fahasahiranan’ny mpanjifa vary amin’izao fidirana amin’ny maitso ahitra izao

👉MENABE: Efa ahitana Vary nafarana, amin’ny vidiny 750 Ar/kapoaka, ao amin’ny tsenan’i Morondava nanomboka ny Alakamisy 05 Janoary 2022. Nahitam-bokatra araka izany ny dinika niaraka tamin’ireo mpamongady ny volana novambra tamin’ny taon-dasa. Mpamongady 3 no mamatsy Vary nafarana an’i Menabe. Nisy fiakarany moa ny vidin’ny Vary gasy ka 800 Ar hatramin’ny 850 Ar/kapoaka ny Vary bory raha 900 Ar ka hatramin’ny 1000 Ar ny Angiky (Riz de luxe).
👉ITASY: 650 Ar ka hatramin’ny 800 Ar/kapoaka ny Vary nafarana any an-toerana amin’izao fotoana izao. Izany hoe 2400Ar ny kilao. Manodidina ny 2600 Ar ka hatramin’ny 2850 AR/kg kosa ny Vary zanatany. Mitohy hatrany ny asa fanaraha-maso ireo vidin’entana sy PPN eny an-tsena. Tsy misy fiovana loatra ny vidiny amin’ny ankapobeny. Ampy ny tahiry raha ho an’ny faritra manokana.
👉AMORON’I MANIA: Efa misy Vary aloha miakatra any Soavina sy Ambondromisotra. Mbola tsy ahitana fiantraikany amin’ny vidin’ny Vary zanatany anefa izany noho ny haratsian’ny lalana ka tsy tafidina any an-toerana ny mpanangom-bokatra. Maro ireo karazana Vary nafarana hita eny an-tsena fa ny vidiny farany ambony no nahitana fiakarany 3000 AR ny gony. Ny makalioka no niakatra 50 Ar ny kapoaka fa tsy niova kosa ny vidiny amin’ny gony.
SARY DRICC

Vous aimerez aussi...