Vaovao Songadina avy any amin’ny Faritra Menabe, Vakinankaratra sy Matsiatra Ambony.

👉MENABE: Fitaovam-pandanjana miisa 37 teny an-tsena tao amin’ny distrikan’i Mahabo no nohamarinina. Manaraka ny fenitra avokoa izy ireo. Tanterahin’ny DRICC izao hetsika izao ho fiarovana ny zon’ny mpanjifa amin’ny fotoana fiakaran’ny vokatra toy izao.
👉VAKINANKARATRA: Nankalaza ny Andro iraisam-pirenena momba ny kaoperativa (JIC) ny tany Antsirabe ny 01 Jolay 2022 lasa teo. Nomen’ny DRICC sy ny CNAPS fiofanana ireo solontenan’ny kaoperativa rehetra tratra antso ka tonga. Nisy araka izany ny ady hevitra sy fifampizarana traikefa ary fanentanana samihafa.
👉MATSIATRA AMBONY: Manao tantsoroka ny KOMIVO (Koperativa Mikirakira Voanjo) ny DRICC ahafahany misitraka ny Taninketsa Indostrialy. Manangona ary manodina ny voanjo ho lasa menaka sakafo no asa sahanin’ity orinasan’ny tantsaha mpamokatra ity. Natolotra azy ny fanamarinam-piraketana rehefa nahazo fiofanana ny mpikambana.
Sary DRICC

Vous aimerez aussi...