Vaovao Songadina avy any amin’ny Faritra SAVA, Vakinankaratra sy Bongolava
👉SAVA: Vokatra lavanila maitso 10 taonina no novidian’ny Orinasa DIE SARLU tany amin’ny tsena voaara-maso any Andrakata sy Douane ny 10 sy 11 Aogositra 2022 lasa teo. Nahazo lavanila 5 taonina kosa ny Orinasa Sahanala ny 11 Aogositra tao Ambalamanasy. Samy ao amin’ny distrikan’Andapa avokoa ireo tsena ireo ary voahaja ny vidy farany ambany 75000Ar isa-kilao.
👉VAKINANKARATRA: Tsy misy afa-tsy sira misy ioda sy fluor no hamidy amin’ny mpanjifa amin’ity taona 2022 ity. Tanjona napetrak’ireo tonga nivory tao Antsirabe izany ny 09 Aogositra 2022. Nandray anjara tamin’izany ny mpikajy, mpamongady, mpitoto sira sy ireo toeram-pivarotana (Supermarché) ao Antsirabe. Fihaonana nokarakarain’ny I-Team Vakinankaratra izay ahitana ny avy amin’ny DRICC Vakinankaratra, ONR sy DRS.
👉BONGOLAVA: Nidina nanamarina ny fitaovam-pandanjana tany amin’ny kaominina Kiranomena any amin’ny distrikan’i Fenoarivobe ny ekipan’ny DRICC Bongolava ny 08 ka hatramin’ny 10 Aogositra 2022. Nanentana momba ny fanajana ny lalàna mifehy ny varotra toy ny fametrahana vidin’entana, fananana taratasim-barotra ampy sy ara-dalàna, fisorohana ny fivarotan’entana lany daty izy ireo tamin’izany.
Sary DRICC