Vaovao Songadina avy any amin’ny faritra Sofia, Bongolava sy SAVA

👉SOFIA: Niara-nidinika momba ny fampandehanana ireo toeram-panodinana siramamy gasy ao Antsatramalaza sy Ankalandy ny avy amin’ny CMCS sy ny Formaprod ary ny DRICC SOFIA ny Alakamisy 08 Septambra 2022. Tanjona ny hampiroborobo ny famokarana siramamy gasy any amin’ny faritra Sofia. Mikasa ny hanao andrana teknika ny toeram-pamokarana ao Ankalandy rahampitso Talata.
👉BONGOLAVA: Nozaraina tamin’ny Zoma 09 Septambra 2022 lasa teo ny taratasy fankatoavana ireo trano fanatobiana entana miisa 10 nahafeno fepetra. Izany dia vokatry ny fanentanan’ny ekipan’ny DRICC momba ny fanaraham-penitra ara-barotra ho fitandroana ny fahasalaman’ny mpanjifa amin’ny fiovaovan’ny kalitaon’ny vokatra ara-tsakafo toy ny ronono na sakafo amin’ny lasaka na entana hafa koa.
👉SAVA: Nahazo fankasitrahana avy amin’ny BIANCO ny DRICC SAVA noho ny fanentanana sy ezaka nataony amin’ny ady amin’ny kolikoly. Nandritra ny fivoriana niarahana tamin’ny BIANCO no nanolorana ny fankasitrahana. Nomena izany avokoa ireo sampandraharaha 14 mendrika.
Sary DRICC

Vous aimerez aussi...